SocialTatitra

Egypte : Inona no nahatonga ity tànana ity nantsoina hoe « ville du 6-octobre » ?

Ao anatin’ny faritr’i Gizeh ny « ville du 6-octobre ». Tafiditra ao amin’ireo faritra an-tanàn-dehiben’ny renivohitra Égyptien Le Caire izy. Manodidina ny 482 kilometatra toradroa ny velaran-taniny ary 32 kilometra miala an’i Le Caire sy 17 kilometra miala ny foiben’i Gizeh izy.Mirakitra tantara io anarana entin’io tànana io. Nianga tany amin’ny ady israélo-arabe teo amin’ny firenena arabe izany izay nandraisan’i Égypte sy Israël anjara tamin’ny 6 oktobra 1973. Ho fanomezam-bononahitra io andro io izany no anton’ny anarana. Eo ihany koa nefa ny fankalazan’ny Égyptien ny andron’ny tafika égyptien amin’io daty io.

Laisser un commentaire