Maroc : Lehilahy iray maty nandritra ny « marathon des Sables »
Notontosaina tao Maroc ny alatsinainy teo ny « marathon des Sables » andiany faha 35. Nandritra ny dingana faharoa tamin’ny fifaninana, izay namakivakiana ny 250 kilometatra tao amin’ny efitr’i Maroc no nahafatesana lehilahy français iray. Nijanona tampoka ny fony raha ny fanazavana. Efa nanakaiky ny 50 taona ity lehilahy ity, nahafeno ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra nahafahana nandray anjara tamin’ny fifaninana izy ary nahavita soa aman-tsara ny dingana voalohany hoy ireo tompon’andraikitra.Nohezahina nivelomina tao anatin’ny 45 minitra izy saingy tsy tana intsony ny ainy. Trangam-pahafatesana fahatelo taona anatin’ny 35 taona hatramin’ny nisain’ity lalao ity tamin’ny taona 1986 iny niseho iny hoy ny mpikarakara Patrick Bauer. Mbola nitohy omaly kosa ny lalao, izay nanatanterahina ny dingana fahatelo.
https : //twitter. com/i/status/1445115002684428291
