PolitiqueTatitra

Yémen : Nanamafy ny fanohanany ny fampitsaharana ny ady ao an-toerana i Iran

Nitsidika tao Oman ny minisitry ny raharaham-bahiny iranianina ny alarobia 28 aprily lasa teo. Nandritra ny fivorian’izy ireo niaraka tamin’ny mpitondra tenin’ny fikambanana mpiantafika any an-toerana no nilazany fa manohana tanteraka ny fampitsaharana ny ady ao Yémen izy ireo. Nandritra ny lahateny nataon’ity minisitra ity no nilazany fa tokony hatsahatra hatreo ny ady ao an-toerana izay efa nandritra ny folo taona mahery izao. Ny minisitry ny raharaharam-bahinin’ny repoblika islamika izay nanamafy indray fa politika tokana ihany no vahaolana ho an’ny krizy ao Yémen, nandritra ny fifampiresahana tamin’i Mohamed Ben Salam. Nipetraka tany Muscat nandritra ny taona maro ny mpitondra tenin’ny mpanohitra, toy ireo mpitarika hafa amin’ny hetsika fikomiana tohanan’ny Iraniana. Nihaona imbetsaka tao an-drenivohitr’i Oman izy ireo tamin’ny tao-dasa. Ny fifandonana tao Yemen izay namoizana ain’olona an’arivony maro hatramin’ny 2014, raha araka ny tatitra avy ao an-toerana, namindra toerana olona an-tapitrisany ary nanosika ny ankamaroan’ny mponina ho amin’ny mosary lalina. Raha tsiahivina, ny firenena Arabie Saodite, izay nitarika fiaraha-mitolona hatramin’ny 2015 ho fanohanana ny governemanta ao Yemen eken’ny vondrona iraisam-pirenena ary niadian’ny mpikomy fatratra. Saingy nangataka ny hampitsahatra ny tolona ary hanomboka ny fifampiraharahana ny vondron’ny mpanohatra, na ny “Houthis”. Nolavin’ny ireo mpitondra fanjakana avy hatrany anefa ny tolo-kevitra ary nitohy ny ady tao antoerana.

Laisser un commentaire