ActualitésTatitra

Afrique du Sud : olona iray maty tanaty tolona nataon’ny mpianatra

Mpandalo iray no tratran’ny bala notifirin’ireo polisy nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra ny Alarobia 10 Martsa lasa teo tao Johannesburg. Nosaromana labasy miloko volafotsy teo amin’ny sisin-dalana amin’ny arabe eo amin’ny Oniversite ny Witwatersrand (wits) ny faty avy eo mandrapaha. Raikitra mantsy ny fifandonana rehefa nampiasa bala vita amin’ny caoutchouc ny polisy. Naparitahana ireo vondrona mpianatra nanakana arabe sy nanakorotana ny fifamoivoizana tao afovoan-tanana no tanjona. Ireto farany izay nanohatra ny fandavan’ny Oniversite lehibe indrindra any an-toerana ny handray ny mpianatra tara amin’ny fandoavana ny saram-pianarany. Kanefa izao olona tsy manan-tsiny izao indray no namoy ny ainy.

Laisser un commentaire