Australie : Hafainganina ny vaksiny ho an’ireo mpilalao handray anjara amin’ny lalao Olympika any Tokyo
Nilaza ny fikambanama olympika ao Australie (AOC) fa miray hevitra amin’ny fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra ao Australie ny amin’ny tokony hanafainganana ny rafitra fanaovam-baksiny ireo mpilalao voaantso handray anjara amin’ny lalao olympika any Tokyo. Niteraka fanakianana teny amin’ireo tambajotra sosialy tao Australie anefa izany. Nanambara ny governementa any an-toerana fa tsy maintsy atao vaksiny mialohan’ny daty hanaovana ny lalao ireo atleta 2 000 sy ireo tompon’andraikitra, handray anjara amin’ny lalao, izany hoe mialoha ny 23 jolay hatramin’ny 8 aogositra ho avy izao izany. « Maniry izahay mba ho afaka hiatrika lalao sy hifaninana amim-pahatoniana ny atletanay, ary hiverina an-tanindrazana soamatsara tsy misy marary », hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka any an-toerana. Ity firenena ity izay anisan’ny nahomby tamin’ny ady amin’ny valan’aretina tamin’ny alalan’ny fanidiana ny sisin-taniny, saingy olana ao amin’izy ireo kosa ny fitarazohan’ny fangatahana ho amin’ny fanaovam-baksiny. Tsy i Australie ihany anefa no manao lohalaharana ireo atletany fa na ny ao Belgique ihany koa izay hiatrika io lalao olympika io ihany koa aza efa hanomboka amin’ny fanaovam-baksiny hahafahana miatrika ny lalao olympika am-pitoniana tanteraka.
