Seychelles : Mihamitombo an’isa ireo vehivavy mahatratra 100 taona ao amin’ny nosy
Vehivavy iray antsoina hoe Mireille Chang-Ty-Seng teraka tao Seychelles saingy taranak’olona avy ao Chine indray no nankalaza ny faha-100 taonany. Minisitra roa samihafa no tonga niarahaba azy manoloana izany ary nahazo firarian-tsoa avy tamin’ny filoha tao an-toerana ihany koa izy.
Tao amin’ny nosy Praslin no nandanian’i Mireille Chang-Ty-Seng ny andro antokom-piainana, niasa nitaiza zaza (nounou) izy ary niteraka 9 ihany koa. Efa nandritra ny roa taona kosa i Mireille Chang-Ty-Seng no tsy niala teo am-pandriana, mbola salamna tsara ara-tsaina nefa izy ary mihaina onjam-peo sy mivavaka no tena handaniany ny tontolo androny.
Raha ny fanazavana dia mihamitombo an’isa ao Seychelles ny vehivavy mahatratra ny faha-100 taonany. Ho an’ny lehilahy kosa dia tokana monja ny lehilahy natratra izany taona izany. Mihatsara ihany koa raha ny tatitra ny tomban’ny tombon’andro iveloman’ny mponina ao an-toerana izay 80 taona ny « moyenne » ho an’ny vehivavy raha 70 taona ho an’ny lehilahy.
