SocialTsidika

Mpandeha an-tsokosoko tratra tany amin’ny lalam-pirenena voalohany

Efa iaraha-mahalala fa mihidy ny faritra analamanga amin’izao fotoana izao. Midika izany fa tsy misy mahazo mivoaka na miditra eto. Efa re sy fantatry ny ankamaroan’ny olona izany fepetra izany, saingy misy ihany ireo minia manampin-tsofina manoloana ny fanatanterahana izany. Tsy maintsy misy foana ireo tratra tsy manaraka ny lamina napetraka isaky ny misy famerana mipetraka. Raha nomena alalana manokana ny fiara mpitatitra entana hifamezivezy, tsy araka izay anefa ny hataon’ny sasany amin’izy ireo. Amin ny alalan’ireny indray mantsy amin’izao fotoana izao no hitondran’ny mpamily olona. Ireo hoentina ihany koa moa etsy ankilany misisika mafy amin’ny fandehanana. Sarotra halamina ny malagasy ! Hoy ireo fanehoan-kevitra sasany, raha tsy manome tsiny izao tranga izao kosa ny olona sasany. Mety ho anton’ny fitadiavana sy ny tsy fidiny hoy izy ireo no mahatonga ny sasany hanaotao foana. Teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Tranovy Ambatovy izao no nahatratrarana tranga fiafenana anaty entana iray, izay ao amin’ny kaominina Soamahamanina, disitrikan’i Miarinarivo. Sazy avy hatrany moa no azon’ny mpamily raha ny voalazan’ ny zandary, ary hanokafana fanadihadihana ihany koa ireo mpandeha tratra tao aminy. Tsy vitan’izany ihany fa hitan’ny zandary ihany koa ny fahabetsahan’ny mpitondra moto sy bisikileta mitatitra olona amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, tsy lazaina intsony ihany koa ireo olona mandeha an-tsokosoko amin’ny lalan-kely samihafa. Fanontaniana apetraky ny be sy ny maro ihany koa etsy ankilany ny hoe : Nahoana moa no any amin’io toerana io vao tratra ireto mpandeha ireto anefa efa maro ireo mpisava lalana nolalovan’ity fiara ity. Ny tany amin’ny lalam-pirenena voalohany aloha izay no tratra, vinavinaina ny mety hisian’izany ihany koa any amin’ny faritra hafa. Ampatsiahivina hatrany fa vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana isika ankehitriny. Midika izany fa tsy misangy ny aretina ka ilaina ny fitandreman’ny tsirairay.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire