ActualitésTsidika

Anjeva : Mitohy hatrany ny hetsika « Ben’ny tanàna mitety vohitra »

Tao amin’ny fokontany Ambatofolaka, kaominina Anjeva, indray no nanaovana fitsidihana, nandritra hetsika « Ben’ny tanàna mitety vohitra », izay ataon’ny ben’ny tanàna ao an-toerana. Mandritra izany no nametrahana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro manazava ny tanàna sy niresahana mivantana tamin’ireo mponina eny ifotony mahakasika ny filàn’izy ireo sy ny foto-drafitr’asa isan-karazany.

« Ny fokontany Ambatofolaka no fokontany fahadimy voatsidika tamin’ity herinandro ity, izay misy vohitra telo dia Ambatofolaka, Antanetibe, Mangarano. Jiro manandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 16 no napetaka manerana ny fokontany. Mbola hitohy hatrany ny hetsika ho an’ny fokontany hafa » hoy ny ben’ny tanàna.

« Efa ela ny niandrasana ny anjarany tamin’ny fahazoana jiro tahaka izao ny tato anatin’ny fokontany. Isaorana feno ny ben’ny tanàna amin’ny fanatontosana ny hetsika sy ny fandehanana ety anivon’ny mponina, mihaino sy mitondra ny hetaheta mba ho fampandrosoan » hoy i Nary, mponina ao Ambatofolaka.

Anisan’ny nahazo foto-drafitr’asa amin’ny fahazoana rano fisotro madio ny fokontany Ambatofolaka ao Anjeva, araka ny voalaza ary ho avy tsy ho ela ihany koa ny fitokanana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire