Maurice : Mihemotra ny toeran’ny Air Mauritius ao amin’ireo fitaterana an’habakabaka 100 tsara indrindra
Very toerana 6 ny Air Mauritius ao amin’ny lisitry ny fitaterana an’habakabaka 100 tsara indrindra eran-tany ka lasa laharana faha-88. Manoloana ny valan’aretina dia tsy nisy ny filaharana tamin’ny taona 2020 saingy raha tsiahivina dia laharana faha-61 ny Air Mauritius tamin’ny taona 2019. Mbola ny Qatar Airways kosa no mitana ny laharana voalohany ao amin’ny lisitra, arahin’iny Singapore Airlines sy ny Emirates.
Eo amin’ny laharana faha-5 kosa no misy ny Air Mauritius amin’ny filaharana aty Afrique. Ny Ethiopian Airlines no laharana voalohany amin’izany, arahin’ny Royal Air Maroc, ny South Africain Airways ary ny Kenya Airways.
