Ambohimanambola: Miverina ny fahatapahan-drano ao an-toerana
Niverina indray ny olan’ny famatsiana rano ao amin’ny fokontany sasany ao amin’ny kaominina Ambohimanambola nanomboka omaly alatsinainy. Nanao fampilazana ireo tomponandraikitra manoloana izany, fa vokatry ny fahasimban’ny milina famokarana no nahatonga ny fanatsaharana ny fitsinjarana rano ary ao anatin’ny fanatsarana izany ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana.
“Araka ny fanapahan-kevitr’ireo tomponandraikitra misahana ny sevice eau eto an-toerana dia nirosoana ny fanoloana ny milina famokarana rano na ny pompe immergée eto amin’ny foto-drafitr’asa Ampahimanga. Izany dia mba hanomezana fahafa-po ny mpanjifa sy hanatsarana ny kalitaon’ny rano izay tsinjaraina ho an’ny mponina” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Mila manao ezaka kely ny kaominina eo amin’ny resaka serasera satria tena maro ireo tsy nafantatra mialoha ny fahatapahana raha efa fantatra fa hirosoana ny fanoloana ny milina. Ny ankabeazan’ny mponina eto ihany koa dia tsy mikirakira tambajotra facebook ka maro ireo voatery nikoropaka sy nitady rano tany amin’ny toerana alavitra” hoy i Felana, mponina ao Ambohimanambola.
Anisan’ny antony tsy maintsy nirosoana ny fanoloana milina izay hatrany moa dia ny tsy fahampian’ny tosika mandefa ny rano ka kely na ela ireo mpanjifa vao mahazo rano, mihiba ihany koa ny kalitaon’ny rano, tapatapaka ny famokorana. Rahampitso alarobia moa no vinavinaina hiverenan’izany famatsian-drano izany amin’ny laoniny tanteraka.
Manitra R.
