ActualitésTatitra

Maurice : Ahitam-pihenana ny tahan’ny vidim-piainana

Mitohy ny filatsahan’ny tahan’ny vidim-piainana. Tafidina 10,5 % izany ny volana jona teo ary mbola nilatsaka 10 % ny volana jolay raha ny voarakitra ao amin’ny tatitra isam-bolana navoakan’ny Statistics Maurice omaly 7 aogositra.

Manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana isan-taona kosa dia nidina 5,9 % izany ny volana raha 7,9 % ny volana jona. Voarakitra ao amin’ny tatitra ihany koa fa ny taham-bidy ny fanjifana (indice des prix à la consommation) dia nidina 0,3 % ka lasa « 131,3 points » raha « 131,7 points » ny volana jona. Marihana fa tao anatin’izay fotoana izay dia nisy fihenana ny vidin’ny legioma, menaka ary vokatra samihafa ilaina amin’ny fiainana an-davanandro.

Laisser un commentaire