Foto-drafitrasa: Manomboka ny fanamboarana ny lalana RN34
Dépêche 04 octobre, 14h, Nanomboka ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’ny Antsirabe sy Malaimbandy ao anatin’ny RN34 izay nitondra takaitra noho ny fandalovan’ny rivo-doza nifanesy teto Madagasikara tamin’ny fotoam-pahavaratra iny. Izany dia tetik’asa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola amin’ny alalan’ny tetik’asa Composante d’Intervention d’Urgence et de Contingence (CERC). Hajaina hatrany ny kalitaon’ny asa ka nomena toromarika tamin’izany ny orinasa miandraikitra ity asa ity.
