ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Manakaiky ny mponin’Avaradrano amin’ny alalan’ny fampianarana ny BTC

Mbola ao anatin’ny iray volan’ny fanomezana fiofanana maimaimpoana ny BTC eny Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Maro ireo fiofanana vaovao natolotry ny ivon-toerana mba hahafahana manome fahafa-po sy misarika ireo tanora hanaraka ny fiofanana toa ny taranja mahakasika ny leadership, ny psychologie, ny business entrepreuneurship, ny éducation financière, ny marketing sy communication, ankoatra ireo taranja sy hetsika nahafantarana ny BTC hatramin’izay. Anisan’ny tanjon’ny hetsika, raha ny voalazan’ny tomponandraikitra, ny hanakaiky ireo mponina eto Avaradrano, indrindra hisarika ny tanora hiditra ao amin’ny fandraharahana.

« Vao tamin’izao ny ivon-toerana no nanome ny fiofanana sy hetsika maimaim-poana ho an’ny tanora. Anisan’ny vao nosokafana tamin’ity andiany ity ihany koa ny « cours d’appui » hahafahana manampy ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Natao io hetsika io mba hahafahana manampy sy manakaiky ireo mponina mba tsy hitady lavitra intsony fa indrindra hahafahana manosika ny tanora amin’ny sehatry ny asa mba ho mpandraharaha ho an’ny tenany » hoy i Jessicat, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.

« Nahaliana ahy hatrany ny hanaraka ny fiofanana ao amin’ny BTC, indrindra fa ny taranja mahakasika ny entrepreneuriat. Amin’izao fotoana izao, tsy tokony hionona amin’ny asa tokana fotsiny fa ilaina ny manana vadin’asa hampitomboana ny vola eo an-tanana » hoy i Miray, mpianatra momba ny informatique.

Tsy ny tanora avy eto Avaradrano ihany no liana amin’ny fiofanana sy ireo hetsika ao amin’ny BTC. Misy ireo tanora, avy ao an-drenivohitra maniry ny hanovo fahalalana no tonga ato an-toerana. Mifameno avokoa ny fiofanana ao amin’ny BTC, ary hahaizana taranja maro, izay hanentanana indrindra ny tanora satria ilaina ny mahay zava-baovao ho an’ny ampitso.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire