Tsenaben’ny asa tanana : nisy ny hetsika fampiratiana ho famerenana indray ny lanjan’ny asa tanana Malagasy
Maro ireo hetsika nataon’ny teo amin’ny Minisiteran’ny asa tanana sy ny haitao nentina nankalazana ny tsenaben’ny asa tanana izay notontosaina tany amin’ny faritr’i Mahajanga. Nosokafana nandritra izany ny ivontoerana fampirantiana sy fivarotana ireo asa tanana vokarin’ny fikambanana maro samihafa ao Mahajanga, izay nahitana trano heva maromaro.
Maro ireo Malagasy izay mivelona amin’ny fanaovana asa tanana, anisan’ny maro an’isa amin’izany ireo mponina any ambanivohitra. Olana lehibe sedrain’ny mpanao asa tanana, ny tsy fahampian’ny akora ampiasaina. Nitondra vahaolana mahakasika izany indrindra ny Minisitry ny asa tanana sy ny haitao nandritra ny fandehanana ifotony nataony tany amin’ny faritr’i Mahajanga. Kaominina Boanamary, fokontany Moramiandra no kasaina hambolena ireo akora fototra toy ny rofia, ka tonga nitsidika ny toerana ny ben’ny tanana ao Boanamary, sy ny Filohan’ny Filan-kevitra kaominaly ao antoerana ary ny Lehiben’ny Fokontany niaraka tamin’ny Minisitra.
« Mankasitraka ny Minisitra izay tena hita fa mihahy tanteraka ny vahoaka izay eo ambanin’ny fari-piadianiany, vooavaha amin’ny ampahany izao ny olana sedainay mpanao asa tanana » hoy i Bakoly, mpanao asa tanana any Mahajanga. « Vatsy sy tohana no tokony atao laharam-pahamehana ho an’ireo mpanao asa tanana noho ny fahasahiranana nandalo nandritra ny fisian’ny krisy fa tsy fananganana tsena vaovao, lany tamin’izany fotoan izany avokoa mantsy ny tahirim-bola rehetra. Lasa fanjakana mpanorina fotodrafitr’asa no misy ankehitriny fa tsy fanjakana mihahy ny mararin’ny vahoaka » hoy i Mparany, mpivarotra asa Tanana
« Volana vitsy monja izay no nandray ny asa ny Minisitra saingy hita taratra sahady fa Minisitra mavitrika miasa tokoa izy, Minisitry ny fanatanterahana tokoa izy, tsy mihaino fotsiny ny hetahetan’ny vahoaka fa tena manatanteraka izany amin’ny fe-potoana fohy » hoy i Mohamed Joseph, ben’ny tananan’i Boanamary. « Fantatro ny fitiavan-tanindrazana misy ao aminao izay nolovainao tamin’i Didier Ratsiraka rainao. Toy izany koa ny fitiavana miasa izay ao anatinao. Tsy diso safidy ny Filoham-pirenena nanendry anao » hoy i Rahantanirina Lalao, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena any amin’ny faritry Mahajanga. Tokony efa hitodi-doha mankany amin’ny vita Malagasy ny mpanjifa mba ampiakatra ny tahan’ny toe-karena, sy hanampy tosika ireo mpisehatra mahakasika ny famoronana sy ny famokarana vita Malagasy.
Ampy izay ny taona maro nanomezana vahana ireo fitaovana vita avy any ivelany, fotoana izao hamerenana indray ny lazan’i Madagasikara amin’ny akanton’ny asa tanana vitan-tsika Malagasy. Mila tohanana hatrany ny zava-bitan’ireo mpiray tanindrazana ho mariky ny firaisan-kina sy fiaraha-mientana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Manjifa ny vita gasy aho, tombony ho an’ny rehetra.
Haingotiana Andriamihaja
