ActualitésTatitra

Qatar : Lasan’i Lewis Hamilton ny fandresena

Notontosaina ny alahdy teo ny « Grand Prix du Qatar » 2021 izay fiodinana faha roapolo amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tanin’ny Formule 1. Lasan ‘i Lewis Hamilton indray ny amboara tamin’io fifanitsanana io raha efa nahazo ny voalohany tao Brésil izy ny herinandro lasa teo.Nanarakaraka azy i Max Verstappen (Red Bull). Nanarakaraka azy roa lahy i Fernando Alonso (Alpine), 40 taona, izay mbola tsy niakatra teo ambon’ny lapihazo hatramin’ny taona 2014. I Sergio Pérez (Red Bull) kosa no fahaefatra ary Esteban Ocon (Alpine) no fahadimy. Isa valo sisa no manasaraka an’I Verstappen sy Hamilton amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany, ary lalao roa sisa dia ho fantatra izay handresy.

Laisser un commentaire