Dépêches

May ny CNRE Tsimbazaza

24 Novambra, 10h30. May manodidina ny 4 ora maraina teo ny CNRE na Centre Nationale de Recherche sur l’Environnement. Antontan-taratasy maro no may tamin’izany raha ny fanazavana ary trano famakiam-boky iray, toeram-pikarohana roa, birao telo ary trano fitehirizana dimy no nolalovan’ny afo tamin’izany. Efa voafehin’ireo mpamonjy voina kosa ny afo ary efa manao fanadihadiana eny an-toerana ny Tale Jeneralin’ny fikarohana siantifika, Tale CNRIT, Tale CNRE, ny brigady misahana ny heloka bevava ary ny polisy Siantifika

Laisser un commentaire