France : Mikorontana ao ny toe-draharaha ao Guadeloupe
Mitohy ny fanerena ny fananana pass sanitaire sy ny fanerana fanaovam-bakisny ireo mpiasan’ny fahasalamana ao Guadeloupe. Manoloana izany dia nanomboka ny grevy tao Martinique ary efa nikatona ny sekoly sy ireo prefektoira tao an-toerana.Mitarika herisetra ao Guadeloupe mihitsy io fihetsiketsehana io. Ireo sendika sy sireo vondron’ny mponina mihitsy no nivondrona nanohitra izany nanomboka ny herinandro lasa teo raha ny fanazavana. Miampy fitalahoana sosilayindray ny krizy ara-pahasalmana noho ny tahotra ny vaksiny hoy ny ben’ny tànanan’i Pointe-à-Pitre, Harry Durimel.
