ActualitésTatitra

France : Vehivavy nanam-pahaizana i Marie Curie

Teraka ny 7 novambra 1867 tao Varsovie i Marie Skłodowska-Curie na Marie Curie ary maty ny 4 jolay 1934 tao Passy. Vehivavy fizisianina sy mpahay simia ny tenany izay nahazo zom-pirenena frantsay tamin’ny alalan’ny fanambadiany an’ilay fizisianina Pierre Curie tamin’ny taona 1895.

Efa nahazo ny « prix Nobel de physique » i Marie Curie sy ny vadiny niaraka tamin’i Henri Becquerel tamin’ny taona 1903 nohon’ny fikarohan’izy ireo niompana tamin’ny « radiations ». Efa nahazo ny « prix Nobel de chimie » ihany koa io vehivavy manam-pahaizana io tany amin’ny taona 1911 manoloana ny fikarohany momba ny « polonium » sy « radium ».

Vehivavy voalohany nahazo « prix Nobel » i Marie Curie ary vehivavy tokana hatramin’izao nahazo roa tamin’izany.

Laisser un commentaire