Fampianarana: Nisitraka toeram-pianarana afaka miady amin’ny loza voajanahary i Ikongo
Tranoo fianarana miisa 4 matanjaka sy afaka miady amin’ny loza voajanahary no natsangana tao Ikongo izay notokanana ny talata 11 aprily teo. Niampy fitaovam-pianarana ihany koa izany entina manavao ny fanabeazana any an-toerana indray. Ao Antavolo, Amboangisay, Voahitsivalana ary Ambahimarana no ahitana ireo trano afaka miady amin’ny rivo-doza ireo.
“Trano mahatohitra rivo-doza. Izany no filàna maika ho an’ny mponian aty an-toerana ka tsy maintsy novitaina tao anaty fotoana kely ihany. Tetik’asa afaka hanampy hiantoka ny fitohizan’ny fampianarana maika ho an’ireo mpianatra izay nesorina tsy fidiana noho ny olana teo amin’ny foto-drafitr’asa. Zo fototry ny zaza ny hianatra ka izany indrindra no nadrisika ny OIT handray anjara tamin’ny antson’ny Ministera”, hoy ny Talen’ny OIT eto Madagasikara, Coffi Agossou.
Trano matanjaka sady mafy afaka miady indrindra amin’ireo rivo-doza ireto natsangana ireto. Amin’iny faritra Atsinanana sy Fitovinany iny no tena nandalovan’ny rivo-doza mahery vaika tao anatin’ny roa taona ka rariny raha narenina izany mba hahafahan’ny mpianatra miverina manohy ny fianarana indray. “Simba avokoa ny toeram-pianarana taty an-toerana tamin’ny Batsiray, niampy an’ny Freddy indrat tamin’ity taona ity ka nitondra takaitra mavesatra. Afaka miverina mianatra indray ny mpianatra amin’izao fotoana izao ary azo ianteherana tsara ireo foto-drafitr’asa ireo ka hisaorana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny OIT ny amin’izany”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny Fitovinany.
Tsara ny manamarika fa efa maherin’ny 20 isa izao ny trano fianarana natsangan’ny OIT hamaliana izany filàn’ny mponina manoloana ny loza voajanahary izany. Zo fototra ny fianarana, tokony havaozina sy hatsaraina toy izany avokoa ny fotodrafitr’asam-pampianarana rehetra, indrindra any amin’ireo faritra marefo amin’ny loza voajanahary.
Miora Raharisolo
