Ankazobe : Vita sy efa azo nampiasaina sy nianarana ny efitrano fianarana vaovao
Vita soa aman-tsara ary efa azon’ny mpianatra nampiasaina sy nianarana ho fiatrehana ity taom-pianarana ity ireo efitrano fianarana miisa telo vaovao ao amin’ny fokontany Antohobe Atsimo, kaominina Ankazobe, izay namboarin’ny faritra Analamanga. Trano tany ary efitranon-tsekoly mitafo bozaka no teo taloha, ary tsy ampy nianaran’ny mpianatra noho ireo mpianatra niditra an-tsekoly efa nihamaro.
» Efa vita manaraka ny fenitra izy ankehitriny. Izany moa dia natolotra niaraka tamin’ny dabilio vaovao izay miisa 120 ho an’ny sekoly » hoy ny tompon’andraikitra.
« Hita tokoa ny fivoaran’ny sekoly mitaha amin’ny teo aloha. Ary mendrika ny zanaka Malagasy tokoa ny misitraka izany. Ny fahaizana manaja sy ny fikolokoloana izany no mila ampianarina tsara ireo ankizy sy izay mampiasa ny sekoly mba hampaharitra ny foto-drafitr’asa mba ho dimbiasan’ny hafa » hoy ny mpampianatra.
Manentana hatrany amin’ny fanajana ny fananana iombonana tahaka izao hatrany ireo tomponandraikitra mba hananana zavatra tsara sy maharitra. Izay mahakolokolo tokoa no manana ny soa, tafiditra ao anatin’ny fanabeazana tokony atao ao anaty fahaiza-miaina izany.
Manitra Ramanantsoa
