ActualitésTsidika

Antananarivo : Mitohy hatrany ny fanatsarana ny tsena ataon’ny CUA

Mitohy hatrany ny fanatsarana ny tsena ataon’ny CUA ao Antananarivo, indrindra fa eto Antananarivo Renivohitra. Tsiahiviny fa efa nisy ny fanatsarana teo aloha, notohizana izany ny omaly, ary kasaina ny ho tohizana hatrany mandrampahavita tanteraka ny tetik’asa.

« Tombony betsaka ho an’ny mpivarotra ny fanamboarana toy izao, ary tokony ho tandrovana hatrany ihany koa ny fahadiovana eny anivon’ny tsena » hoy ireo tompon’andraikitra eny amin’ny kaominina. « Misintona mpividy ny fahadiovana sy ny fahatsaran’ny tsena ka tombony lehibe ho anay izany fanatsarana izany » hoy Vola, anisan’ireo mpivarotra. Hoy kosa Andry mpandala mahakasika ny fiaraha-monina hoe « ny tsena no ivon’ny fahavelomana ary ao amin’ny tsena no ahitana izay rehetra ilaina ka rariny tokoa raha misy fanatsarana izany toerana izany ».

Natao moa izany hetsika izany hentina hampandrosoana ny kaominina. Manentana ireo rehetra mampiasa izany tsena izany ny mba hikajy sy hikolokolo tsara ity tetik’asa ity mba haharitra.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire