Kolontsaina : Mitaky ny hanovana ny lalàna mifehy ny OMDA ireo mpisehatra
Nisy fanovana ny lalàna mahaksika ny fiasan’ny Office Malgache des Droits d’Auteurs ny volana jona lasa teo. Maro ireo artista sy ireo mpikambana ao anatin’ity birao ity no nandà izany lalàna izany ka nanao fiantsoana ny hanovana izany.
Hametraka teti-dalàna vaovao ireto mpikambana ireto hanovana izany aorian’ny fivorian’izy ireo ny volana oktobra ho avy izao. « Hampiditra ireo mpitendry zava-maneno sy ireo mpihira sasany ho afaka misitraka ny tombontsoa sy ny zony ato amin’ny OMDA no tanjonay amin’izany fivoriana ho ataonay izany ary hoentinay eo anivon’ny antenimieram-pirenena izany rehefa tafavoaka ka azy ireo ny fanapahan-kevitra farany », hoy i Samoela, mpihira sady mpikambana mahafatra-po ao amin’ny OMDA. « Ny tenako aloha hatreto tena tsy mahazo mihitsy hioe natao hiaro ny artista ve ity birao iray ity sa hiaro ny mpihira, tsy mba misy fijerena mihitsy ny artista sasany manana ny talentany fa ireo mpihira ireo foana no laharam-pahamehana », hoy kosa i Olga tamin’ny fanehoan-keviny mahakasika ity raharaha ity.
Raha foanana ny OMDA dia mety tsy hampaninona ny Malagasy akory izany satria na ny ten asany aza mbola manjavozavo amin’ny olompirenene rehetra. Etsy ankilany anefa ilain’ireo mpanakanto izy ireo, ahafahany miaro ny fahaizany sy ny vokatra izay an’azy. Ampiana ny fanabeazana ny olona mahakasika ny sampan-draharaha isan-karazany hahafahan’ny tsirairay mifampitsinjo.
Miora Raharisolo
