Alasora : Fanamboaran-dalana teny Ambohimanandraisoa-Alatsinainy
Vita tamin’ny herinandro ny « réception provisoire » ny lalana Ambohimanandraisoa-Alatsinainy, kaominina Alasora. Raha ny vaovao voaray dia volan’ny kaominina madiodio no nanamboarana azy ity. Ezahina ny fanalalahana azy isan-taona mba ho tombontsoa hoan’ny rehetra, na ho an’ ny mpandeha an-tongotra izany na ho an’ireo izay rehetra mitondra sy mamily fiara. Raha mbola tsy manaja tsara ny tokony ho alehany nefa ny olona tsirairay dia zava-poana ny fanamboarana, satria ny olona hisavoritaka eny an-dalana, ary hiteraka fitohanana izany.Raha ny nambaran’i Lanto, mponina eny Alasora, dia hanarian’ny olona rano fotsiny eny an-dalana eny ary tena mandoto mihitsy ary. Nilaza kosa nefa ny tompon’andraikitra fa tsy ny olona no te hanary eny, fa noho ny fahatsentsemana nisy teo amin’ny fivoahan-drano no nanery azy ireo hanao izany. Nohamafisin’i Clément, injiniera momba ny lalana kosa anefa fa, ny lalana dia tsy tokony hokitihana rano velively, indrindra moa fa lalana vao natao vao haingana. Nanambara koa izy fa, lalana efa vita tsara ity any Ambohimanandraisoa ity, ka tsy tokony hisy ny hahiahiana. « Aoka isika hanaja ny fananana iombonana », hoy hatrany ireo monina any an-toerana.Ilaina hatrany ny fifampitsinjovana, eny fa na dia lalana ary no voakasika eto. Maro mantsy amin’izao no mba maniry ho voavaotra ny lalana any amin’izy ireo, satria efa ela tokoa no nahasimban’izany. Ahoana tokoa moa raha ny lalana rehetra eto Madagasikara no vita soa aman-tsara tahaka izao ?
Murielle Andrianasoloniaina
