Dépêches

Tratra ireo jiolahy nanafika fivarotana tao Tsiroanomandidy

18 Oktobra, 09h08. Tratran’ny Polisy tao Tsiroanomandidy ireo jiolahy nanafika ny trano fivarotana entan-madinika. Ny roa tamin’izy ireo dia lavon’ny balan’ny Polisy nandritra ny fifampitifirana tamin’ireo jiolahy niaraka tamin’ny basy vita gasy ary ny iray kosa azo sambo-belona mbola niaraka tamin’ny basy vita gasy sy bala maromaro ary antsy lava lela. Raha efatra andro izay no nisehon ilay fanafihana dia tratra ihany ireto olon-dratsy.

Laisser un commentaire