ConseilTsidika

Torohevitra : Fikarakarana volo amin’ny fomba tsotra

Anisan’ny mahasarotiny ny vehivavy ny volo. Handaniana fotoana, vola, fananana mihitsy ny mikarakara azy io. Misy ireo mampiasa akory efa voahodina hikarakarana volo, tsy vitsy kosa anefa ireo mampiasa akory natory. Maro ireo karazana fikafika azo ampiasaina raha te mba hahanana volo mangirana, tsotra, ary malefaka.

Voalohany indrindra, na ho an’ireo te ho tso-bolo na manana volo olioly. Ilaina ny manao « bain d’huile » mialohan’ny hanasana loha. Tena tena dia ilay amin’ny hariva no hanaovana azy. Vontosana menaka ny volo, menaka diloiloy coco no tsara hampiasaina fa afaka atao ihany koa ny manafangaro azy amin’ireny menaka kinanana ireny. Anisan’ny mahalava volo, manatevina volo vetivety ity farany ity.

Manaraka izany, sasana amin’ny savony fotsy tsotra mahazatra ny volo. Tsara kokoa raha rano avy amin’ny loharano no hanasana volo mba hialana amin’ireo akora simika izay tena manimba volo amin’ny ranon’ny paompy. Kobanina amin’ny ranona ravin-goavy efa nampangotrahina avy eo (atao rano farany)

Marihina fa afaka mampiasa ireo akora mahazatra toa ny maska sy ny shampoo hatrany. Tokony fadiana kosa ny mamafa ny volo amin’ny servieta, anisan’ny manimba, mifoka hatramin’ny menaka amin’ny volo ny famonosana na ny fampiasana ny servieta amin’ny volo.

Laisser un commentaire