Torohevitra : Fanalana ny kentrona amin’ny tarehy
Tsy voatery ireo mandroso taona ihany no tratran’ny fahakentronana amin’ny tarehy fa na dia ireo tanora, tsy mifidy na lahy na vavy, aza mety ho sendra izay raha vao tsy mitandrina na tsy voakarakara ny hoditra. Ny eo amin’ny maso, sy ny takolaka no mety ahitana izay kentrona izay. Mety ho vokatry ny fiasana saina, ny rarin-tsaina, ny mijanona amin’ny hain’andro ela loatra no mahatonga izay.
Azo sorohana amin’ny fomba tsotra anefa izany raha tsy te ho antitra vetivety ny hoditra. Ny zavatra ilaina dia ny tain-kafe, ny tapotsin’atody, ary tantely (tsy voatery). Tsotra ny fampiasana azy; afangaro ireo akory ireo amin’ny fatra izay hita fa mahampy ny tarehy anosorana azy. Avy eo dia hosorana avy hatrany, ary hosorana hatrany amin’ny tenda ka avela 10 minitra eo amin’ny tarehy izany vao kobanina amin’ny rano matimaty.
Anisan’ny mahatsara ity fomba ity ihany koa dia izy manarina ny tarehy reraka ary manome hazavana ny tarehy indray. Vanim-potoana mahabe ny adin-tsaina sy ny harerahana tokoa isika izao, aza adinoina anefa ny mikarakara vatana na dia eo aza izany rehetra izany.
Manitra Ramanantsoa
