ActualitésTsidika

Fanatanjahan-tena : Manao ny fampivondronana ireo Barea any Maroc

Efa any Maroc ireo mpilalaon’ny Barea hiatrika ny fifantenana izay hilalao amin’ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Afrika ny taona 2023. Anisan’ny tonga voalohany any antoerana ireo mpilalao avy eto antoerana sy ireo mpila ravinahitra sasany avy any Eoropa. Nisy tamin’ireo voaantso no tsy tong aka anisan’ny i Bertrand Dorian sy Remi Vita raha tonga farany kosa i Nina sy i Datsiry izay vao avy niatrika ny lalao nataon’ny Elgeco Plus. Lalao ara-pirahalahiana roa no ho atrehan’ny Barea ny 24 septambra izay hifanatrehany amin’ny Congo Brazaville ary ny 27 septambra dia ny ihafanandrinany amin’ny Benin. Lalao roa izay samy tanterahina ao Seychelles avokoa.

« Manao izay fara herinay sy hiezaka hiady hatramin’ny faranyn izahay ka izany no tsy maintsy nahatongavanay mialoha aty Seychelles hahafahany miomana tsra amin’izay mety miandry anay, matokisa anay ary manohàna anay hatrany » hoy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea. « Ireto Barea ireto no efa nitokisana hatramin’izay, en ampanidinana eny tsy maintsy misy ny lesoka f amino fa hahazo vokatra mahafaly amin’izao hoe efa i Dupuis izao indray no mpanazatra azy ireo, za aloha hatreto mbola mankafy foana », hoy i Nary, mpankafy baolina kitra.

Maro mpanakafy ny lalao baolina kitra raha ny eto Madagasikara, nanomboka tamin’ny fiatrehan’ny Malagasy izany CAN izany no nankamamian’ny Malagasy maro ny Barea ary mbola matoky sy manantena azy ireo hatrany ny Malagasy rehetra tsy anakanavaka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire