ActualitésTsidika

Bongatsara Atsimondrano : Mitohy hatrany ny tsena be iombonona isakin’ny Zoma

Maro ny tantsaha ao amin’ny kaominina no sahirana amin’ny fivarotana ireo vokatra namboleny. Mandalo fahasahirana tokoa izy ireo ary mahatsiaro ho faty antoka amin’ny ezaka ataon’izy ireo. Mitohy hatrany noho izany ny fanomezana sehatra ireo tantsaha madinika  mba hivarotana ireo vokatra azon’izy ireo ao amin’ny vondrona Bongatsara Atsimondrano .

Misy ny tanjona napetrakin’ny vondrona mba hisian’ny fifanampiana ao amin’y samy mpikambana. Misy hatrany koa ny fifampitsinjovana ao anatiny mba ahafahan’ny mpamboly mahazo tombotsoa amin’ny fambolena ataon’izy ireo. « Mba ho fanampiana ny Vokatra Malagasy eto Bongatsara dia nanapakevitra izahay fa hanokana fotoana izahay isaky ny Zoma fa hisy publication hatokana ho an’i varotra Vokatra Malagasy eto amin’ny vondrona Bongatsara Atsimondrano. » hoy i Tsiry Andriamihantasoa, filoha mpanorina ny fikambanana.

Tsy tokony hijanona ao anatin’ny vondrona fotsiny ny fifanampiana toy izao. Tsara ny fifampizarana tombotsoa amin’ny olona hafa, indrindra fa ny tantsaha mba samy mahazo ny tombotsoany daholo ny tsirairay. « Maro ireo sakana mahazo ny Tantsaha ka lasa olana lehibe tsy ahafahana mivoatra izany. Noho izany dia ho tohizan-tsika ny ezaka izay natao ka tsy hijanonana eto amin’ny vondrona intsony izany fa ho entin-tsika mitety ireo faritra tokony hamokatra ireo ny hevitra rehetra ireny » hoy hatrany fanazavana.

Tsara  ny fifanampiana toy izao mba hampivoarana ny kaominina . Tsy tokony hisy mihitsy faritra ilaozan’ny fandrosoana raha toa ka samy miara-mientana avokoa ny olom-pirenana ao. Ilaina hatrany koa ny fifampitsinjovana amin’ny samy tantsaha mba hampandroso haingana ny sehatra fambolena sy ny fiompiana. Samy manana ny maha izy avokoa mantsy ny tantsaha tsirairay ka ny fivondronana vao maika hampantanjaka kokoa azy ireo.

Erwan RAN

Laisser un commentaire