Araben’ny fahaleovantena: Hikatona ny lalana sy ny manodidina mandritra ny fampisehoana goavan’ny tarika Ambondrona
Hikatona ho amin’ny fifamoivoizana tanteraka ny araben’ny fahaleovantena Anlakaley ny alahady izao noho ny fampisehoana goavana izay karakarain’ny tarika Ambondrona. Efa anatin’ny fanomanana tanteraka ny tarika sy ny mpiara-miasa avy ao amin’ny kaominina hahafahana mandamina ny fifamoivoizana tsy hanelingelina betsaka loatra ny mpampiasa lalana. Tsy azo handehanana araka izany ny lalana rehetra eo amin’ny manodidina eo ary tsy hisy fiantsonana ihany koa ho an’ireo fiara izay mikasa ny hijanona eny amin’ny manodidina.
“Hampahafantarina dieny mialoha ireo mpampiasa lalana ny amin’ny fanarahana ny lamina izay hapetraka. Voakasik’ity fahatapahana ity ireto lalana ireto: eo amin’ny Araben’ny fahaleovantena manomboka eo amin’ny tsangambato Jean Ralaimongo ka hatrany amin’ny Garan’ny Soarano, ny lalana manaraka ny biraon’ny polisy ao amin’ny boriborintany voalohany, ny lalana Indira Gandhi izay manomboka amin’ny hotely Grand Mellis ka hatrany amin’ny tranombarotra Conforama, lalana manoloana ny hopitalin’ny ankizy eny Tsaralalana, izay eo amin’ny sisin’ny Sekoly ENMG Tsaralalana, izay manaraka ny magazay Essor hatrany amin’ny foiben’ny Agence de voyage Bourdon”, hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Marihina moa fa seho goavana maimaim-poana ity ho ataon’ny tarika Ambondrona ity ka vinavinaina ho hipoka olona iny lalana iny. Izany no antony nandraisana izany fepetra izany hahafahana mandamina ny fivezivezena. “Araka izany ireo izay fiara rehetra maniry hihazo an’Ambohijatovo sy Anosy dia tsy maintsy mandeha amin’ny lalana Petite Vitesse ary avy eo dia mandeha amin’ny lalana Mahafaka any amin’ny Shalimar, lalana Refotaka (Bricodis – Cosmos) ary lalana Rabefiraisina (Urbania) hiditra amin’ny lalana mahazatra. Ireo fiara avy any Antaninarenina, hihazo an’i Soarano dia tsy maintsy mandeha amin’ny lalana Rabefotaka sy ny lalana Rabefiraisina avokoa”, hoy hatrany ny tompon’andraikaitra.
Seho voalohany miavaka indirndra hon an’ny tarika Ambondrona sy ireo mpikarakara ity amin’ny alahady ity. Maro ny mpankafy ny tarika ka izany indrindra no tsy maintsy nandrindrana ny fivezivezena hahafahana mandamina ny toerana. Marihina fa maimaim-poana ny seho kanefa efa milamina avokoa hatramin’ny fiantohana ny fandriam-pahalemana.
Miora Raharisolo
