Dépêches

Fanatanjahantena: Mpanazatra Romuald Rakotondrabe no hitarika ny Barea amin’ny lalaon’ny Nosy

Dépêche 14 avril, 11h30, Mitohy indray ny lalan’I Coach Rôrô na I Romuald Rakotondrabe raha efa nifarana tamin’ny fitondrana ny Barea CHAN ny fifanarahany tamin’ny FMF. Voaantso hitondra ny barea amin’ny Lalaon’ny Nosy  aty amin’ny Ranomasimbe Indianina indray ny tenany. Arak any fanambarana avy amin’ny FMF hatrany dia mbola maro ny ilaina an’I Coach Rôrô amin’ny ho avin’ny taranja baolina kitra. Efa mandeha ihany koa ny resaka amin’ny mety handraisan’ity olomanga ity ny fitantanana ny Barea A saingy mbola tsy misy ny loharanom-baovao manamarina izany.

Laisser un commentaire