Marovoay : Hamoraina ny fahazoan’ny tantsaha masomboly sy zezika
Dépêche 17 avril, 13h, Amin’ny maha sompitry ny vary eto Madagasikara an’ny Marovoay dia tsy hiankin-doha amin’ny fanafarana ny masomboly sy zezika intsony ny tantsaha. Novohaina tamin’ny alalan’ny Projet d’Urgence de Renforcement de la Production Alimentaire izany olana izany. Nisitraka « kit » izay ahitana masomboly x360, zezika organika ary NPK ireo tantsaha miisa 400 ao anatin’izany. Niaraka tamin’izany ihany koa fizarana karatra ho an’ny mpamokatra ho fanamarinana ny mahamatianina azy ireo. Irariana hitondra fiovana indrindra ho an’ny vidim-bary izany vahaolana naroso izany.
