Sosialy: Manao ny ezaka hampahafantarana ireo zon’olombelona rehetra ny Ministeran’ny Fitsarana
Hano hetsika hampahafantarana ireo zo tokony sitrahin’ny olom-pirenena rehetra manerana ny Nosy ny Ministeran’ny Fitsarana. Kaominina Anjozorobe no hanombohana izany. Fampahafantaraa sy fanentanana ny manodidina ireo zo ireo no hanaovana izany hetsika izany izay nomena ny anarana hoe “Fiara Zo”. Toy ny foto-kevitry nentin’ny “caravane médicale” dia hanotona ny mponina mihitsy ny Ministera hahafahana mamphafantatra ny zon’izy ireo.
“Fiara Zo no anarana nomena ity hetsika ity satria fiara mihitsy no entina mitety ireo faritra rehetra manerana ny Nosy. Ny tanjoan’ny hetsika dia ny hanatona ireo mponina rehetra mihitsy hahafahana mampahafantatra azy ireo ny zony. Izany dia mba hahafahany mandray ny andraikitra sy ny fepetra rehetra manodidina izany. Afaka mandray ireo fitarainana samihafa entin’ireo mponina ihany koa ny hetsika mandritra ny fandalovany eny”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Hanomboka ny 26 jona izao ao Anjozorobe ny hetsika, hitohy ao Mampikony izany mialohan’ny handehanany any Fenoarivo Antsinana ao anatin’ny Analanjirofo ny 5 juin ary ao Ambalavao Tsienimparihy ny 10 juillet 2023 izao. “Manam-pahaizana maromaro no handray anjara amin’ilay dia, toy ny mpitsara, mpisolovava, huissiers ary ireo manam-pahaizana ara-dalana miasa eny an-toerana. Mandritra ny hetsika dia afaka mandray ireo fitarainana ireo mpandray anjara ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.
Zo sy adidy, tsy afaka misaraka. Ny fisitrahana ny zo dia mila ny fanatanterahana ireo adidy rehetra hatramin’ireo adidy madinika indrindra. Tokony hampahafantarina mandritra ny hetsika ihany koa araka izany ireo adidy tokony hefain’ny olona tsirairay.
Miora Raharisolo
