Mifamahofaho ny resaka fisamborana olona tany Ambomiarina Tsiroanomandidy
Mitaraina ny mponina noho ny tsindry hazolena ataon’ny Ben’ny tanàn’Ambohimiarina Ankerana Avaratra. Ny 12 Aogositra 2021 no nisy mpitandro filaminana iray fiara « Sprinter » noetin’ny Ben’ny tanàna sy ny zanany lahy tany an-toerana ary nisambotra olona efatra ary natao toy ny fisamborana olona nahavita heloka be vava ny nisamborana azy ireo hoy ireo nanatri-maso, nosavaina ny tranon’izy ireo ary tsy nahitana na inona na inona ka noentina natao famotorana tany amin’ny PAC, tsy nitombina anefa ny fanendrikendrehana azy efatra ireo izay voalaza fa nanao kolikoly ka naverina tany Tsiroanomandidy ny raharaha.
Rehefa nandalo fampanoavana dia voatazona ny iray,ny telo ambiny kosa nalefa nody. Tsy mari-pototra anefa ny antony nisamborana azy ireo satria nilaza indray ny Ben’ny tanana fa namaky ny tranony izy ireo, rehefa natao ny fanadihadiana teo anivon’ny zandary dia tsy nisy vaky trano tany an-toerana, nambarany ihany koa fa nanampoizina azy tany amin’ny fanasana iray ireo olona efatra ireo, nilaza anefa ny tompon-danonana fa tsy nanatrika io lanonana io izy.
Mangony fotsiny ny fireharehana sy fandrahonana izay ataon’io Ben’ny tanana io, miaraka amin’ny teny mafy hoe « Te higadra angaha ? » sy ny hoe « tsy misy dikany amiko ny managadra olona ». Araka izany, miorin-koditra ny mponina any an-toerana satria tsy afaka manazava sy milaza ny heviny noho ny tahotra an’ny Ben’ny tanana. Manao antso avy amin’ny fitondram-panjaka izy ireo mba hanara-maso akaiky ny zava-misy any an-toerana ary miangavy ny ao amin’ny fitsarana mba hijery manokana io fitoriana miaro fanendrikendrehana io.
Nicole Rafalimananjara
