Natsahatra ny fanototofana tany teny Tsiafahy
Tranga matetika eto Antananarivo ny fanotofana tany tsy ara-dalàna ary misy ihany koa ny fakàna tany tsy manaraka ny lalàna mifehy ny fanajariana nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy tany Tsiafahy, faritra Analamanga.
« Tokony haka ny fahazahoan-dalana eo anivon’ny Ministeran’ny fanajarian-tany sy ny asa vaventy foana ny kaominina izay hanao asa tahaka izao mba hisorohana ny loza mety hiseho » hoy i Andriamalalavonjy Solomanara, talen’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. « Izahay dia miasa fotsiny ihany fa efa fantatry ny kaominina tsara ny fisianay » hoy ireo mpiasa. « Tsy mahay ny an-tanatohatra mikasika ny tokony amin’ny fangatahan-dalana rehefa hanao izany izahay fa kosa efa eo an-dalana manatsahatra ireo tsy ara-dalana izany ka misaotra ny avy ao amin’ny fitaleavana nampahafantatra anay » hoy Andriamiarisoa Tiana Lalao, ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Tsiafahy.
Natsahatra araka izany ny asa nataon’ireo orin’asa tsy manara-dalàna eo ihany koa ny fangatahana tany mandrapahafeno ny fepetra rehetra.
Nicole Rafalimananjara
