Niakatra ny tahan’ny fahafahana Baccalauréat tany Mahajanga
Nivaly ny 6 septambra teo ny fanadinana Baccalauréat tany Mahajanga ka nahatratra 52, 35% ny tahan’ny fahafahana tamin’izany.
51,55% ny tahan’ny fahafahan’ireo sokajy ankapobeny raha 10 214 no afaka tamin’ireo 19812 ny nanala fanadinana. « Nahitana fiakarany 7, 56% raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa izao valim-panadinana izao satria 44, 79% izany tamin’ny taon-dasa » hoy ny avy aoa min’ny Oniversite Mahajanga.
Betsaka anefa, tetsy an-kilany, ny nilaza fa tokony miara-havoaka ny valim-panadinana rehetra manerana ny nosy fa tsy havoaka tsikelikely tahaka izao satria andro mitovy izao ihany no nanaovana azy. « Miankina amin’ny Oniversite tsirairay ny daty ivoahan’ny valim-panadinana » hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Mbola sasa-miandry kosa ny mpanala fanadinana sy ny ray aman-dreny eto Antananarivo amin’izao fotoana izao raha ny tapaky ny volana septambra no tsy maintsy hivalian’ny fanadinana rehetra manerana ny nosy. Hanao ahoana ny tahan’ny fahafahana manerana ny nosy amin’ity ?
Nicole Rafalimananjara
