Afghanistan : Tsy mahazo miasa eo amin’ny sehatra mahaolona ny vehivavy
Nahatsahatra ny asany tao Afghanistan ny fikambanana Christian Aid (avy any Grande Bretagne) ny alatsinainy teo. Fikambanana fahaenina nandray io fanam-pahan-kevitra io tao amin’ny firenena ny Christian Aid manoloana ny fandraran’ny Taliban ny vehivavy tsy hisehatra eo amin’ny sehatra mahaolona.
Niantso ny tompon’andraikitry ny firenena ny solotenan’ny Christian Aid, Ray Hasan mba hanazava sy hanafoana io fanam-pahan-kevitra io. Mandra-paha kosa hoy izy dia hampiato ny asany ny fikambanana. Marihana fa efa nanomboka ny 24 desambra teo no nanao nandidy ny hampitsaharana ny vehivavy rehetra miasa amin’ny fikambanana nyminisitry ny toekarena tao Afghanistan. Tsy voakasik’io fanam-pahan-kevitra io kosa ireo teratany vahiny miasa amin’ny fikambanana ao an-toerana.
