Ambohimangakely : Voaravaka jirokely koa i Ambodivoara
Efa tsy ho ela dia higadona ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona, hita taratra aty Avaradrano mihitsy izany amin’ny alalan’ireo haingon-tanàna isan-karazany toy ny jiro kely. Efa nandravaka ny tanàna ihany koa ny kaominina Ambohimangakely izay natao eny Ambodivoara taorian’i Alasora.
« Mahafinaritra ery ny mijery ny tanàna voaraka tahaka izao, indrindra rehefa amin’ny alina, tena mampisy fanantenana mihitsy ny toy izao ary tsy maintsy mandroso ny tanàna » hoy i Landy, mponina ao Ambodivoara. « Ho avy ny fety, ka mila am-pifaliana ny vahoaka ary omena fahafinaretana hatrany ho kanto sy tsara izay rehetra hitany mba ahafahany mandroso hatrany » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Ny tsara tokoa no tokony ho atao fankan-tahaka, tsy mandeha lavitra intsony ireo mponina fa eto an-tanàna dia efa mahafinaritra”Z hoy i Laura, mponina ao Ambohimangakely.
Efa akaiky tokoa ny fety satria ny ao an-drenivohitra aza dia voaravaka tsara éry ny tanàna ka anjarantsika tsirairay no miaro sy tsy manimba ireny zavatra mahafinaritra ireny.
Nicole Rafalimananjara
