Alasora : Mitohy ny fanarenana ny lalana eny Tanjonandriana sy Antangirika
Efa manomboka ny asa fanarenan-dalana ao Tanjonandriana sy Antangirika amin’izao fotoana izao. Mitohy hatrany ny ezaka rehetra entina hanatsarana ny kaominina Alasora amin’izao fotoana izao satria ny tanàna mandroso no tanjona.
« Fiainan’olona maro sy fiveloman’ny olona maro no miankina betsaka amin’ity lalana ity ka tsara tokoa izao nanamboarana azy izao sady ny orana rahateo tsy mbola tena milatsaka ka fotoana azo araraotina tara » hoy i Christophe, mponina ao Antangirika. « Tsy hijanona hatreto akory ny tetik’asa fanamboaran-dalana sy fanarenana ny lalana fa hitohy any Mahatsinjo sy Ankady indray aorian’izao » hoy ny avy eo amin’ny kaominina Alasora. « Fomba iray entina hampandrosoana ny kaominina ny fanamboaran-dalana, izay netina hanamorana ny fisian’ny serasera eo aminny samy tanàna k any ben’ny tanàna no tena handray andraikitra volaohany amin’ny mpitantana voalohany ny kaominina azy » hoy i Eldon, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Ilaina isan’andro ny lalana ka tokony ho mafy haharitra satria miankina indrindra amin’ny fiainan’ny mponina eny ifotony. Ny vahoaka tsy maintsy mitaraina foana, fa ny fitondrana kosa dia tokony hiasa sy hiezaka hiasa hatrany.
Nicole Rafalimananjara
