ActualitésTsidika

Hodinihina eo amin’ny parlemanta ny hampiasana ny vola 490 tapitrisa dolara nindramina tamin’ny banky iraisam-pirenena

Manomboka ny 03 aogositra ary haharitra roa ambin ny folo andro eoeo ny fivoriana tsy ara potoana faharoa eny anivon ny parlemanta mpanao lalàna. Lany fa hisy ny fampiantsoana fivoriana tsy ara potoana taorian’ny fanaovan-tsonia ilay famatsiam-bola nindramina tany amin ny banky iraisam-pirenena, izay mitentina 490 tapitrisa dolara ny 21 jolay lasa teo teny Iavoloha.

Hizara efatra lehibe ny hampiasana ilay famantsiana raha ny fanazavana voaray. « 100 tapitrisa dolara dia hanampiana ny tetik’asa fanaovam-baksiny hiarovana amin ny covid 19 sy ny sehatrin ny fahasalamana, ny 150 tapitrisa kosa no hohatokana ho an’ny tetik’asa ara-toe-karena, izay ho entina hanarenana ny sehatry ny toe-karena izay isan’ny nizaka ny mafy noho ny krizy ara-pahasalamana. Ny 200 tapitrisa dolara kosa indray no hohatokana ho an’ny tetikasa maharitra mikasika ny fanamboaran-dàlana eto Madagasikara ka làlana mitotaly 1 200km no ho voakasik’izany ary ny 40 tapitrisa dolara dia ho hatokana ho an’ny sehatrin ny fambolena » hoy ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika.

Etsy an-kilany, maro ny nanontany ny hanaovana ireo volabe voaray ireo ka ho handaminana izany no anton’izao fivoariana izao. « Fomba fotsiny ihany io fa tsy tena mitontona amin’ny tetik’asa akory ny vola rehetra, tsy ny vola no olana eto fa ny fampiasana ny vola no tsy mazava » hoy i Fanoela, mpahay toe-karena. « Mba hisian’ny mangarahara dia azontsika jerena mivantana io fivoriana tsy ara-potoana io » hoy ny avy ao amin’ny Antenimierampirenena. Azo lazaina fa handroso tokoa ve i Madagasikara raha tontosa soa aman-tsara ireo tetik’asa ireo? Hiarina tokoa ve ny toe-karena ?

 Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire