ActualitésTsidika

Manomboka androany ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra any Melaky

Manomboka 04 ka hatramin’ny 06 aogositra izao ny fanaovana vaksiny hiadiana amin ny lefakozatra ho an’ ireo zaza latsaky ny dimy taona ao amin’ny faritry Melaky. Ny lefakozatra izay fantatra fa aretina mpahazo ireo olona marefo ary indrindra ny zaza. Ity vaksiny hiadiana amin ny lefakozatra ity dia fandaharana tohanana’ireo mpamatsy vola toy ny Usaid sy ny Rotary International ary koa ny Unicef.

« Efa tonga sy voaparitaka manerana ireo Distrika dimy ireo fitaovana ilaina amin’ity fanaovam-baksiny ity » hoy ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. « Mbola betsaka ny zaza tratran’ny lefakozatra amin’izao fotoana izao ka tena ilaina ny fanaovam-baksiny tahaka izao » hoy i Julienne, renim-pianakaviana. « Mbola ao anatin’ny ady amin’ny lefakozatra isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ny vaksiny no vahaolana mahomby indrindra amin’izany » hoy i Elinah, mpianatra ho mpitsabo eny anivon’ny anjerimanontolo.

Aretina mpahazo ny zaza latsaky ny dimy taona ny lefakozatra, koa tsara raha hampîtomboina ny hery fiarovany hiaidany amibn’izany amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny. Hanao ahoana ny tahan’ny fandehan’ireo ray aman-dreny ahano vaksiny ny zanany amin’izao andro natokana ho amin’izany izao ?

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire