Misokatra ny fifaninanana SEMIPI
Notontosaina ny 2 aogositra teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana hiditra taona faharoa ao amin’ny fampianarana ankapobeny sy taona voalohany amin’ny fampianarana teknika ao amin’ny sekoly miaramilam-pirenena na SEMIPI ao Fianarantsoa. Natao tao amin’ny 1RTS Fiadanana izany notarihin’ny lehiben’ny jeneraly Sahivelo Delphin, lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika.
Marihina fa nivoaka ny 28 jolay teo ny lisitr’ireo mpiadina voafantina hiatrika ny fanadinana ireo. Mahatratra 1470 ireo mpifaninana nahafeno ny fepetra tamin’izany manerana ny nosy. Izay tsy nahafeno izany kosa dia nolavina avy hatrany raha ny fampitam-baovao.
« Mangaraharaha tanteraka ny fifaninanana ka aleo mba tsy hisy resaka kolikoly fa isika no hoavin’ny firenena » hoy ny jeneraly Sahivelo Delphin. Nitondra teny mahakasika izany ho an’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa ny tenany, « volavolao ny toetsain’ny zanak’isika mba hahay hanaraka ny fepetra rehetra » hoy izy.
« Manana vokatra tsara no antony hampianarako ny zanako ato ary indrindra izy afaka mifaninana hiditra ao amin’ny Acmil ao aorian’ny Bakalorea » hoy i Tojo, raim-pianakaviana iray hampianatra ny zanany ao amin’ny SEMIPI.
Efa nozaraina omaly ny taratasy fiantsoana ary nazavaina tamin’izany ny fizotry ny fifaninanana na an-tsoratra na ara-panatanjahatena. Efa tsindri-daona avokoa ireo mpifaninana hiatrika izany.
Hasina Rasamimanana
