ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nahazo « moto cross » ireo zandar

Nomen’ny kaominina Ambohimanambola itaovana « moto cross » ireo zandary miasa any an-toerana. Izany no nentina nanamarihana ny fotoam-piasana 2022. Laharam-pahamehana ho an’ny mpitantana ny kaominina mantsy ny fandriam-pahalemana. Manampy betsaka an’ireo zandary mpiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa mantsy ity fitaovana ity. Volan’ny kaominina madiodio  tamin’ny alalan’ny tamberin’andraikitra nataon’ny mponina no nahazoana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire