ActualitésTatitra

Canada : Tsy voafehy intsony ny fihetsiketsehana

Efa ho 10 andro ireo mpitondra fiara vaventy tao Canada no nivondrona tao Ottawa nanohitra ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny tompon’andraikitra, izay nitaky ny fanaovam-baksin’ireo mpitatitr’entana. Nanomboka ny 29 janoary teo izy ireo no nitokona, ary nanomboka tonga tao an-toerana ireo olona avy tamin’ny toerana maro tao Canada nanampy azy.Nihitatra tao Québec sy Toronto ihany koa nefa ny fihetsiketsehana nanomboka ny 5 febroary teo ka tsy voafehy intsony ny toe-draharaha, hoy ny ben’ny tànanan’i Ottawa, Jim Watson. Manoloana izany dia nampidirina tao anaty « état d’urgence » ity renivohitr’i Canada ity. Hitarafana ny loza mety ateraky ny fihetsiketsehana io fanampahan-kevitra io, hoy izy.

Laisser un commentaire