Etats-Unis : Mitondra vohoka i Cardi B
Nandritra ny lanonana tamin’ny BET Awards no nanambaran’i Cardi B, vehivavy mpiangaly ny mozika Rap any New York-Etats-Unis, fa miandry ny zanany faharoa izy ankehitriny. Ho lasa olona efatra araka izany ny ao anaty ankohonany hanampy an’i Offset sy i Kulture. Nitafy akanjo mitambatra ambony ambony ambany mamiratra izy tamin’io fotoana io ary ny kibony ihany no nasehony tamin’ilay akanjo ary teo no nanambarany fa mitoe-jaza izy. Mbola nohamafisiny tao amin’ny tambajotran-tserasera ihany àry izany tamin’ny alalan’ny sary niaraka tamin’ny soratra hoe « 2 » niampy sary fo iray.
