SocialTsidika

Miteraka olana ny asa fanadiovana ny tanàna any Tsianaloke

Misy ireo mpivarotra sasantsasany ao amin’ny fokontany Tsianaloke izay manakana ny fanadiovana ny tanana ataon’ny eo anivon’ny kaomina an-drenivohitr’i Toliary.

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fitsipahany amin’ny asa fanadiovana ny tanàna ny mpivarotra avy ao amin’ny fokotany Tsianaloke, ity asa fanadiovana ity izay manala ny mpivaotra eny amin’ny trottoirs izay tetikasan’ny kaominina mba hanadiovana sy hampalalaka ny lalana. Miteraka disadisa eo amin’ny mpivarotra sy ny kaomina ity tetikasa iray ity.

Nambaran’ireto manohitra ny asa fanadiovana izay tarihin’ny lehiben’izy ireo, Dieudonné Tongasoa na antsoina koa hoe pastera fa lavin’izy ireo antsikiranony izo fanapaha-kevitra hanala an’izy ireo eny amoron-dalana izao satria tena manampy trotraka ny fahasahiranana ho an’ny mponina izao indrindra amin’izao vani-potoana ny krizy izao. Ny avy ao amin’ny ben’ny tanana kosa dia mijanona amin’ny fanapaha-keviny hatrany ny hanalana ireo mpivarotra mba hanalalahana ny lalana sy ny fotodrafitrasam-panjakana ary handray ny fanapaha-kevitra hentitra izy ireo raha mbola minia tsy mihaino ireto mpivarotra ireto. Ny mponina dia magataka ny hivahan’izao olana izao satria ny ady amin’ny kere efa hila tsy ho zaka no mbola miampy izao ihany.

Mila jerena akaiky ny mahakasika ny mpivarotra tsy any Toliara ihany fa manarena ny nosy satria tsy ampy ny toerana hivarotan’ireo mpivarotra ka izany no mahatonga an’azy ireo mivarotra eny amin’ny lalan’ny mpandeha. Samy mandray andraikitra kosa nefa ny tsirairay na ny mpivarotra na ny mpampiasa ny lanana na ny ao amin’ny kaominina fa tsy faly ny hifanilika andraikitra foana sy hanao be loha foana fa mba mandray ny anjara tanrifiny avokoa.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire