SocialTsidika

Fanampiana ara-pitaovana ny CSB Diana

Mitohy hatrany ny fanatontosana ny velirano telo ambin’ny folo. Mihezaka manao izay tratrany ny eo amin’ny fitondrana mba hahazoan’ny vahoaka any alavitra ny fitsaboana sahaza azy ireo. Anisan’ny taratra hijerevana nyfanajana ny zon’olombelona izany.

Tato ho ato dia hita manerana ny tamban-jotra sosialy sy ny haino aman-jery eny fa maro ireo foto-drafitr’asa notokanana sy eo andalam-pananganana izay ataon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Izany dia isan’ireo fananmby napetraky ny Filoha, tobim-pahasalamana sy fitsaboana sahazan’ny vahoaka. « Maro tokoa ireo mpiara miombon’antoka sy fikambanana mifandrimbona amin’ny Ministera mpiahy mba hanatontosana izany » raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Ministera.

« Tsy mety raha vita ny foto-drafitr’asa anefa tsy ampy ny fampitaovana »hoy ny solotenan’ny Ministera, arak’izany dia nanome fitaovana raitra an’ireo mpitsabo mandrafitra ny tobim-pahasalamana ifotony tao Diana ireto farany. Izany no natao dia mba hanamorana ny asan’izy ireo sy ho fitsinjovana ireo mponina izay tonga mitsabo tena ao amin’ity CSB ity. « Hezahina tsy misy atao zanak’ikala hafa ny Faritra rehetra fa samy ahazo ny fampitaovana ilainy hentina ampandrosona ny sehatry ny fitsaboana sy ny fahasalamana »hoy ahatry ireo avy ao amin’ny Ministera. Ary mbola hitohy manerana ny Nosy ny fanapariahana ireo fitaovana fototra tokony hisy ao anaty CSB iray.

« Fankasitrahina ary fisaorana » no nataon’ireo solotenan’ny mponina ho an’ny solontenan’ny fitondrana izay nanatrika ity lanonam-panomezana fitaovana tao amin’ny CSB Diana ity.

Manontany tena ihany koa anefa ireo vahoaka sasany hoe fa angaha ny fananganana foto-drafitr’asa ihany no laharam-pahamehana ?

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire