SocialTatitra

Cote d’Ivoire : Tandindomin-doza i Lahou Kpanda

Manomboka miakatra ny ranomasina ao Cote d’Ivoire ka tandindomin-doza i Lahou Kpanda izay ahiana ho difotry ny ranomasina. . Efa manomboka hihaona ny ranomasina sy ranomamy izay sarahan’i Lahou Kpanda mantsy amin’izao.mety ho difotra araka izany ity tanàna kely iray any Cote d’Ivoire ity amin’izao. Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro misy amin’iny sisin-dranomasina andrefan’i Afrika iny izao fiakaran’ny rano izao. Betsaka ihany koa ireo mponina manamorona ny ranomasina no nifindramonina noho ny tsy fahafahana miandriaka intsony kanefa io no fiveloman’izy ireo. Anisan’ny voakasiky ny ranomasina ihany koa ny toerana fandevenana ireo mponina, ka tsy misy azo atao. Very hevitra ny mponina satria sarotra ho azy indray ny vao hanomboka hivelomana kanefa tsy manan-tsafidy intsony izy ireo. Miezaka mandroso vahaolana ara-teknika hoy ny mpanolotsaina Cedric Lombardo no sady manam-pahaizana manokana mikasika ny « biodiversité » any Afrika Andrefana.

Laisser un commentaire