16 mey : Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiaraha-miaina am-piadanana
Ankalazaina androany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiara-miaina am-piadanana (vivre-ensemble en paix). Entina hifanekena ny tsy fitoviana ity andro ity, hifampihainoina, hanomezan-danjana ny tsy fitoviana, ny fifanajanana, ny fankasitrahana ny hafa ary entina miaina ao anatin’ny fanahin’ny fiadanana sy ny firindrana.Ny 8 desambra 2017 ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana no nanapa-kevitra ny A/RES/72/130, namaritra ny Mey ho andro iraisam-pirenena ho an’ny fiaraha-miaina anaty filaminana. Tanjon’ity andro ity ny fanentanana tsy tapaka ny ezaka ataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho amin’ny fandriampahalemana, ny fandeferana, ny fifankahazoana ary ny firaisankina ity andro ity.
