ActualitésTatitra

Etats-Unis : Zava-maniry maromaro no naniry tamin’ny « sol lunaire »

Tany kely monja no nampiasana saingy dingana lehibe ho an’ny fambolena an-habakabaka ny fanana azy. Voalohany teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao no nisy siantifika namboly tamin’ny « sol lunaire » nentin’ny « astronaute » efa am-polony taona lasa tamin’ny programa Apollo 11,12 ary 17.Io fahombiazan’ny fikarohana io dia mamelona ny fanantenana fa indray andro any dia azo atao ny mamboly zava-maniry mivantana eny amin’ny volana. Mbola maro nefa ny asa atao hanatanterahan izany hoy ny mpikaroka avy amin’ny oniversiten’i Floride. Manan-danja lehibe amin’ny tanjon’ny NASA amin’ny fikarohana maharitra eny aminny volana kosa izany valim-pikarohana izany hoy ny lehiben’ny io masoivoho io, Bill Nelson.

Laisser un commentaire