ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Hisy ny fivoriana mahakasika ny rano fisotro madio isam-pokontany

 Hanatanteraka fivoriana mahakasika ny rano fisotro madio isam-pokontany, ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ho an’ny rahampitso Talata, dia ao amin’ny fokontany Andranomanonga no hanatanterahana izany, ny alarobia 15 novambra kosa dia ny fokontany Iharamy.

“Ireo mponina, mpisitraka ny foto-drafitr’asa kaominaly rehetra, paomy sy lava-drano, no antsoina ho avy hanatrika ny fivoriana izay atao eny amin’ny biraom-pokontany. Tanjon’izany fivoriana izany ny hametraka lamina sy fanaraha-maso mahomby ny fampisitrahana na fisitrahana rano fisotro madio” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tena ilaina ilay asa sy fanentanana tahaka izao. Tena mbola maro ireo fokontany tsy misitraka rano fisotro madio eto, indrindra ireo fokontany mbola ambanivohitra. Ka ny fanombohana tetik’asa tahaka izao dia anisan’ny mitondra fandrosoana ho an’ny fokontany ka tokony hamafisina ny fanentanana” hoy i Rado, mponina ao Ambohimanambola.

Marihina moa fa ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fampisitrahana rano fisotro madio ny isam-pokontany. Ho an’ny fokontany Andranomanonga moa, hanomboka amin’ny 04ora hariva ny fivoriana, izay atao ao amin’ny EPP Andranomanonga. Hanomboka amin’ny 03ora kosa ny an’ny fokontany Iharamy, ny alarobia, atao amin’ny efitranon’ny EPP Iharamy ihany koa.

Laisser un commentaire